Amin-kafaliana no hiarahabana anao tonga mamangy.
Tolorana fisaorana ianareo rehetra izay nanohana ny ezaka ataon`ny Zahana,
sitraka enti-matory hono hoe ka hovaliana raha mahatsiaro ary voamarina tokoa
fa ny adidy tsy anolon-dratsy.
Na eo aza izany hafaliana izany dia tantely amam-bahona tokoa ny fiainana ao
ny mamy ary ao koa ny mangidy. Namoy namana iray ny Zahana ny volana jiona
2008 dia i Dr Daniel izay lasa na dia mbola erotrerony tokoa aza. Ny asa nataony
ho fanampiana ny Zahana dia mitoetra ary tsaroan`ireo ankizy sy mponina ao
Fiadanana satria olona nampianatra azy ireo ny ady amin`ny parasy lafrika.
Vokatry ny fanentanana nataony dia tsy misy parasy ny ankizy.
Foto
Ny asa vita indray no topaza-maso dia toa hilaza miara-mahita ihany izahay.
Be no vita nefa mbola maro no miandry:
- Nomena lay na aro-moka ny tokan-trano tsirairay mba hiarovana azy ireo amin`ny
moka, Azo ambara fa nihena ny fitrangan`ny tazomoka raha ny nambaran`ireo mponina.
Ny tazomoka no voalaza fa aretina voalohany ao Fiadanana.
Marihana fa tsy misy tobi-pahasalamana aloha hatreto ahafahana manara-maso
akaiky ny toe-pahasalaman`ireo mponina.
-Tontosa soaman-tsara ny fahatongavan`ny rano eo an-tanana. Vokatr` izany dia
mahavelombolo fa tsy misy intsony ireo ankizy voan`ny aretim-pivalanana.
Foto
- Mahatratra 36 ny trano fivoahana raha 1 fotsiny tany am-boalohany.
- Mijoro ny sekoly ary efa mianatra ireo ankizy. Mpampianatra roa no miandraikitra
ny fampianarana sy fitaizana. Manana farim-pahaizana bac izy ireo ary nomena
fiofanana manokana ``DVD approach``. Mamelona ny fanantenana ny mahita ireo
ankizy tena mazoto mianatra. Ny ``evaluation, nataon`ny consultant nanofana
ireo mpampianatra, ny volana jiona 2008 dia nahafahana nandrefy izany fiovana
goavana izany.
Foto
-Mihinana mofo gasy mafana ireo ankizy any an-tsekoly ary azo lazaina
fa isany mamporisika azy hande hianatra izany.
Foto
-Maniry tsara manodidina ny sekoly ny ankondro sy hazo fihinamboa hafa
ary ny hazo zahana dia mandrombona ka ialofany ankizy amin`ny danik`andro.
-Mijoro ny tranom-bokatra nefa mbola tsy miodina tanteraka araka ny nandrasana
aminy. Natao hametrahana ny vokatra mba hiandry vidy tsaratsara. Ny tantsaha
anefa tsy manana fidiram-bola hafatsy ny fambolena ka voasarika hivarotra avy
hatrany izy ireo raha vao miakatra ny vokatra. Tsy mahakivy izany fa samy mianatra
na ny ponina na ny Zahana ka hodinihana akaiky ny mety atao hanatsarana izany.
-Natomboka ny fampisamboram-bola (micro credit) hanaovana fiompiana kisoa.
Ireo nanao izany dia nahazo tombotsoa. Etsy ankilany somary nanahirana an`ny
Zahana ny nandrefy ny vokatra azon`ireo tantsaha mivantana. satria ny ampaham-bola
dia nanaovany asa tanimbary.
Ireo no antsonay hoe `dingana fototra`. Ireo no tanteraka dia tsy herinay samy
irery fa tao ny fiaraha-miasa akaiky tamin`ireo mitovy fomba fijery aminay
ka nitondra ny anjarany aminy alalan`ny Tides Foundation. Tombotsoa ho an`ny
Zahana manokana ny naha-tafidirany ao anaty fandaharan`asan`ny Tides Foundation
izay tsy mitsahatra manome toro-hevitra hanatsarana ny asa. Noho izany dia
tsy izahay aty an-toerana no nahefa ireo rehetra ireo fa tao ianareo tsy nitandro
asasarana sy vola amin-karena nanohanana ny soritr`asa Zahana.
Ny manaraka indray:
-tohizana ny fampianarana eo Fiadanana,
-hatomboka amin`ny tao-mpianarana manaraka ny fanabeazana ara-mpambolena sy
fiompiana ka hanao zaridaina ho azy ireo ankizy mpianatra.
-hatsaraina ny tontolon`ny micro credit,
-hampiditra tanana iray hafa ao anatin`ny fandaharan`asa zahana mba ahafahana
manao fampitahy: Fiarenana
Foto
-hampidirina ireo tetika ahafahana mampitombo ny vokatra fambolena sy
fiompiana.
-haparitaka ny fatana zahana (zahana cook stove) mba ho fiarovana ny tontolo
iainana.
Manasa anao hijery hatrany ny tranokala www.zahana.org.
Ho hitanao ao ny antsipirihany mikasika ny voalaza etsy ambony.
Mankasitraka anao namangy